Hafatra pastoraly 2019 sy fiarahabana ary vinam-piangonana taona 2019

Jan 3, 2019Message0 commentaires

Ho an’ny Filohan’ny Tafo, ny Biraon’ny Tafo sy ny Komity ary ny vahoakan’Andriamanitra eto amin’ny FPMA Tafo La Réunion.

 

« Ry malala mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin’ ny zavatra rehetra  anie ianao tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany » (3Jaona 1:2).

 

Izany Tenin’Andriamanitra izany no teny entinay mianakavy kely miarahaba sy mirary soa anareo kristiana havana rehetra eto amin’ny FPMA Tafo La Réunion nahatratra ny taona vaovao 2019. 

Andriamanitra anie hitahy sy hampahery anareo amin’ny asa fanompoana nanirahan’ny Tompo sy ny adidy samihafa eo anivon’ny tokantrano ary ny fiaraha-monina.

 

Maneho fisaorana feno anareo amin’ny fiaraha-miasa sy ny fiombonana tamin’ny taona lasa iny. 

Mankasitraka ihany koa ho an’ireo izay nandefa teny fiarahabana sy firariantsoa ary tonga niarahaba taty an-tokantranonay noho ny taona vaovao.  

Ny Tompo hamaly fitia anareo noho ireo fanomezana vokatry ny fitiavana natolotrareo ho anay ka nandraisanareo anay ho toy ny ray aman-dreny.

 

Nandritra ny taona 2018 ny iraka nampanaovin’ny Tompo antsika dia ny hoe 

« Kristiana mitaona olona ho ao an’i Kristy ». 

Noraisintsika izany avy amin’ny baikon’i Jesoa hoe : 

 « …Ataovy ho tonga mpianatra ny firenena rehetra…  » Matio 28/18-20.

 

Ny Tompo Jesoa no mahita izay ezaka nataontsika tamin’izany koa na dia malemy aza isika dia niara-niasa Taminy nanatontosa izany iraka izany. Iraka tokony tohizantsika izany fitaomana olona izany mba hahalala sy hino an’i Jesoa Kristy izay mbola tsy nahare.

 

Amin’ity taona 2019 ity indray ny vinantsika dia ny hoe 

« KRISTIANA MIVELONA AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA  (na MT), MIAINA AMIN’NY VAVAKA  (MV), MIZARA FIAINANA BE DIA BE HO AN’NY HAFA (na MF) » = MT-MV-MF.

 

Nalaina izany avy amin’ireto Tenin’Andriamanitra miisa 2 ireto :

« Dinihonareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara ahy »

Jaona 5:39

 

Sitrano ny marary, atsangano ho velona  ny maty, diovy ny marary hoditra, roahy ny demony: nahazo maimaim-poana hianareo, koa manomeza maimaim-poana. Matio 10 :8 

 

(Teny faneva synoda lehibe tany Bordeaux hiainan’ny Fpma manerana ny Frantsa 2018-2020)

 

Tohizana ny ezaka amin’ity taona ity ka hamaky Baiboly isan’andro isika, hianatra izany ary hiaraka hivavaka isan’andro, koa, ao anaty ny 1 taona ka hatramin’ny 3 taona dia ho voavakintsika rehetra miaraka ny Baiboly manontolo. 

 

Ny Tenin’Andriamanitra no maha fiangonana ny fiangonana. 

Ny Tenin’Andriamanitra no fitaovam-piadiana entintsika miatrika izao tontolo izao ka tokony ho haintsika ny mampiasa azy ary ny vavaka no mampiorina sy mampitoetra izany ao anatintsika. 

 

Manasitrana ny ratra anaty sy mitsabo ny aretim-panahy ary manarina ireo lavo ny Tenin’Andriamanitra. 

Manangana izay efa rava ny fiainam-bavaka, mandroaka ny herin’ny devoly mpandrava sy mpampisaraka ihany koa ny vavaka.

 

Ny fanasitranana sy ny fanarenana ary ny famonjena dia fanomezana maimaimpoana avy amin’Andriamanitra ka baikon’i Jesoa isika nandray izany hizara fiainana be dia be avy amin’Andriamanitra ho an’ny fianakaviana, ny namana, ny olona mifanerasera. 

Toerana iray tokony hahatsapan’ny olona fiadanana sy fifaliana ny fiangonana ka ny fanekentsika hotarihin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny vavaka no antoka hahatamana azy ao. 

Miova na ny voambolana ifampiresahana rehefa milona am-bavaka marina ny kristiana. 

 

Manjary Teny avy amin’Andriamanitra manasitrana no eo am-bavany fa hoy ny Soratra Masina :

« Aoka ny fiteninareo ho amin’ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra » Kolosiana 4 : 6

 

Hamafiso ny fiombonana sy ny fifankatiavana fa hoy ny Soratra Masina :

« fa raha mifandramatra sy mifampihinana ianareo tandremo fa sao mifandringana » 

 Galatiana 5 : 15. 

 

« Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara, fa ny fitiavana manarona fahotana maro » 1 Petera 4 : 8

 

Ho ampitaina amintsika aoriana ireo fomba entintsika miara-manatratra ireo vina ireo. 

Misaotra antsika sahady amin’ny fahavononana sy fietanam-po hangetaheta ny hampandroso ny fiaianam-panahintsika. Satria hoy i Jesoa :

« Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra  »  (Matio 4/4)

 

Maty ny vatantsika raha tsy mihinan-kanina, toy izany koa maty ny fanahintsika raha tsy mihinana ny Tenin’Andriamanitra. Velona isika fa maty fanahy nefa hoy ny fitenintsika malagasy « ny fanahy no maha olona ny olona iray ».

 

Koa velomy ny fanahy fa io irery no entina miala ety rehefa tonga ny fotoana tsy maintsy hialana. 

Ny fanahy voky ny Tenin’Andriamanitra sy ny vavaka no ho VELONA ka vonona avy hatrany hihaona amin’ny Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika any an-danitra. 

Izay nizara ny fiainana azony no handray ny valim-pitia sahaza avy amin’Andriamanitra any an-danitra, ka tsy ho very maina ny nanoloranao ny fiainanao hanompo an’Andriamanitra ao amin’ny fiangonana. 

Manompoa azy bebe kokoa, aoka samy hafana fo amin’ny anjara fanompoana tandrify sy efa nanoloranao tena ary nanaovana Fanekena teo anatrehan’Andriamanitra sy ny Fiangonana.

 

« Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, miorena tsara, aza miova, ary mahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory  ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo » ( 1 Kor 15 : 58 ).

 

Samy hotahian’Andriamanitra daholo.

 

Pasteur Radoniaina TOVONJARAHARILIVA sy Aly Mirantsoa, Alicia sy Loïca 

0 commentaires

Soumettre un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Share This
M