Fiarahabana taom-baovao 2019 ho an’ny KOMITY

Jan 3, 2019Message0 commentaires

Miarahaba am-pifaliana anareo rehetra tratry ny NOELY sy ny Taom-baovao 2019. 

Ho taona feno fifaliana sy fahasoavana ary fahombiazana eo ambany fitantanan’Ilay Tompontsika anie ity taona vaovao 2019 ity ho antsika tsirairay ary koa ny ankohonantsika.

TAONA VAOVAO izay hijerena KINA ny  taona lasa ary Taona vaovao izay hibanjinana indrindra koa ny ho avy hampandrosoana ny Fiangonantsika. 

Mampahery antsika tsirairay ka hanao ezaka am-pitiavana, am-pirahalahina araka ny maha-iray antsika ao amin’ny Tompo, hanao ny fanompoana am-pitiavana sy am-panetre-tena araka ny sitrapon’Andriamanitra ka tsy hisy ny fifankahalana, ny fitsitokotokoana, ny fifanenjehana, ny fiatsaram-belatsihy. Aoka hifamela amin’izay rehetra tsy nety nataontsika tsirairay ka ny herin’Andriamanitra no hanatanterahantsika izany rehetra izany.

Dia mirary ny soa rehetra ho antsika tsirairay eo ambany fahasoavan’Ilay Tompontsika.

 

Ny Filohan’ny Tafo

Déboraha RABEHARIZAKA

0 commentaires

Soumettre un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Share This
M