Fisaorana concert de Pâques

Avr 29, 2019La vie de l'Église0 commentaires

Misaotra an’Andriamanitra Lehibe isika fa noho ny fahasoavany dia tontosa soa aman-tsara ny concert de Pâques nokarakaraintsika.

 

Hitantsika tokoa fa Izy no nandamina ny zavatra rehetra, ny sono, ny fotoana, ny toerana hanaovana ny répétitions, sy ny concert. Tsapantsika koa fa Izy no nanoro làlana antsika amin’izay zavatra rehetra tokony atao.
 
Misaotra antsika rehetra tamin’ny fikarakarana isan-karazany, ary tamin’ny dons natolotrareo, tsy ho votanisako eto izany; fa Andriamanitra mahafantatra ny nataontsika tsirairay avy.
 
Misaotra an’i Pasteur Rado mivady tamin’ny soutien spirituel, ny conseils, ary ny présentation sy animation tamin’ny concert. 
Misaotra ny musiciens, sy ny nikarakara ny sono sy ny technique, fa tsy nisy olana ara-teknika mihitsy omaly.
 
Eo amin’ny lafiny technique de chant sy scène, dia betsaka ny zavatra tsara navoakantsika, ary mihatsara foana isika isaky ny concert, ka isaorako anareo izany. Ezahantsika tazomina (atao acquis) ary hatsaraina foana ny efa mety.
 
Efa hitako ihany koa ny zavatra vitsivitsy tokony hamafisina; ka ireny no hifantoantsika amin’ny fianaran-kira fanomanana ny concert manaraka.
 
Betsaka ny olona niteny hoe tsara ny zavatra ataontsika, ary mivoatra hatrany isika; ka dia tohizantsika foana izany fanatsarana izany, satria ny fanaovana zavatra tsara sy milamina koa dia mety mahasarika olona.
 
Mampahery antsika hatrany amin’ny asa fanompoana ato amin’ny chorale.
 
Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra !!
Dina

0 commentaires

Soumettre un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Share This
M