Fifidianana Filoha sy Filoha mpanampy – 14 Jona 2020

Mai 28, 2020La vie de l'Église

Miarahaba antsika Mpandray ny Fanasan’ny Tompo eto amin’ny Fpma Réunion amin’ny anaran’ny Tompo ny komity ny tafo izay nivory maika anio Alarobia 27 Mey 2020.

« Hoy i Jesoa : Tsy ianareo no nifidy Ahy fa Izaho no nifidy anareo » Jaona 15. 16

Araka ny antso teo amin’ny raharaham-piangonana nanomboka ny Alahady 09 Febroary 2020 ary namafisina an-taratasy tamin’ny datin’ny ny 25 Febroary 2020 nalefan’ny Komity ny Tafo tamintsika tamin’ny mailaka dia tokony notanterahana ny Alahady 22 Marsa 2020 ny fifidianana Filoha sy Filoha mpanampy ny Fpma Réunion nefa noho ny fisian’ny confinement dia tsy vita izany fa voatery nahemotra.

Ireo diakona voafidy moa dia efa niofana isan-kerinandro miaraka amin’ny Mpitandrina nanomboka ny 11 Marsa 2020 hatramin’izao ary mbola hitohy izany hatramin’ny fotoana fanokanana azy ireo.

Ireo Biraon’ny tafo vaovao sy Biraon’ny sampana vaovao koa dia efa tokony miara-miofana miaraka amin’izy ireo mba handraisany ny fampianarana avy amin’ny Tenin’Andriamanitra iatrehany ny asan’ny Tompo eto anivon’ny sahan’ny Fpma.

Araka ny fantatsika dia efa misokatra ny toerana azontsika hiangonana amin’ny Alahady izao ary efa nomena antsika izany.

Koa ho fanatanterahana izay efa niantsoana antsika tany aloha, ny komity ny Tafo dia miantso antsika Mpandray ny Fanasan’ny Tompo voasoratra anarana ho tonga amin’ny fivoriambe tsy arapotoana (Assemblée générale extraordinaire) hifidianana izay ho Filoha sy filoha mpanampy ny Tafo Fpma Réunion :

– daty : Alahady 14 Jona 2020 aorian’ny fanompoam-pivavahana amin’ny 9 ora sy sasany maraina

– toerana : église Saint Yves Le Port

– aoka samy hitondra stylos fanoratana

-ento ny karatra maha Mpandray ny Fanasan’ny Tompo anao eto amin’ny Tafo Fpma Réunion

-hisy ny fandaminana mba hanajana hatrany ireo fepetra rehetra ara

-pahasalamana mandritra io fotoana io

Koa manentana antsika Mpandray ny Fanasan’ny Tompo ho tonga maro fa mpiara-miasa amin’ny Tompo isika hifidy izay tiany hanompo azy eto amin’ny fiangonana.

Mampahafantatra antsika koa ny komity ny tafo fa :

1) araka ny fitsipika anatiny eto amin’ny tafo Fpma Réunion dia ireo diakona vaovao no mifidy ireo mambran’ny birao sisa : ireo Sekretera miisa 2 sy Mpitahiry vola 1 ary ny Mpitantam-bola 1. Koa vao vita ny fifidianana ny filoha sy ny filoha mpanampy amin’io Alahady io dia hijanona ireo diakona hanatanteraka izany fifidianana izany.

2) ny fifidianana ny Biraon’ny sampana rehetra kosa dia ezahina ho vitaina farafahatarany ny Alahady 21 Jona 2020. Hojerena miaraka amin’ny sampana ny fandaminana.

3) ny fanompoam-pivavahana ny Alahady Fandraisana 05 Jolay 2020 no hanokanana ny diakona sy ny birao vaovao ary ny komity vaovao.

Mangataka antsika samy hitondra am-bavaka izany fikasana rehetra izany.

Manao veloma finaritra antsika rehetra amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa ilay Lohan’ny fiangonana.

Amin’ny anaran’ny

Komity ny tafo

Ny Filoha mpanampy Joelle RAHARINOSY

Ny Mpitandrina Radoniaina TOVONJARAHARILIVA

Au nom du Seigneur, le Comité de la FPMA réuni mercredi 27 mai 2020 adresse leurs salutations à tous les membres communiants de la FPMA.

Jésus nous dit : «  Ce n’est pas vous qui m’avez choisi, mais c’est moi qui vous ai choisis ». Jean 15. 16

Le dimanche 9 février, les nouvelles de l’église nous ont fait part de la date de l’élection du président et du vice-président.

Ceci a été entériné par le comité de l’église le 25 février 2020 dans un mail.

Mais du fait du confinement, cela n’a pas pu se faire et a dû être reporté.

Les diacres élus, ont déjà commencé leur formation avec le pasteur depuis le 11 mars 2020 et vont poursuivre cela jusqu’à la date de leur ordination.

Les nouveaux membres du bureau de l’église, ainsi que les membres du bureau des sections devraient également suivre la formation pour recevoir les enseignements de la Parole de Dieu, afin de faire l’œuvre du Seigneur au sein de la FPMA.

Pour notre connaissance, l’autorisation est donnée pour l’ouverture des églises. Nous pouvons d’ores et déjà aller à l’église le dimanche et les dimanches suivants.

Ainsi, conformément à ce que nous avons été appelés à faire, le Comité de l’église FPMA appelle ses membres communiants inscrits à venir à l’Assemblée générale extraordinaire, pour l’élection du Président et du vice-président de la FPMA REUNION :
– Date : Dimanche 14 JUIN 2020, après le culte de 9H30.
– Lieu : Eglise Saint Yves Le Port
– Fournitures : nous vous invitons à amener votre propre stylo, ainsi que votre carte de membre communiant de la FPMA.
– Une organisation sera prévue pour le respect des instructions sanitaires durant ce moment.

Ainsi, nous invitons les membres communiants de l’église à venir nombreux car nous allons élire avec l’aide du Seigneur ceux qui vont le servir notre Paroisse.

Le comité nous informe également que:

1) Selon le règlement intérieur de la Fpma Réunion, les nouveaux diacres élisent les membres restants du bureau: Les 2 secrétaires, le trésorier et le gestionnaire financier.

Ainsi, après l’élection du président et du vice-président, les diacres sont invités à
rester pour tenir cette élection.

2) Les élections du bureau de toutes les sections devront être finalisées au plus
tard le dimanche 21 juin 2020. L’organisation sera examinée avec les sections.

3) Le culte du dimanche de la Sainte Cène du 05 juillet 2020 sera dédié à l’ordination des nouveaux diacres, du nouveau bureau et du nouveau comité.

Nous vous invitons à porter en prière tous ces projets.

Salutations au nom du Seigneur Jésus, Chef de l&’Église.

Au nom du Comité de l’église

Du Pasteur Radoniaina TOVONJARAHARILIVA

De la Vice Présidente Joelle RAHARINOSY

DERNIERS ARTICLES

Fanompoam-pivavahana Pentekosta 31 Mey 2020

Miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo Jesoa ny komity ny tafo Fpma Réunion izay nivory maika anio Alarobia 27 Mey 2020. Hoy ny Tenin'Andriamanitra : "Fa ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady, Ary raha maro ny mpanolo-tsaina, dia misy famonjena."...

Remerciement Pastoral d’après confinement

" Chers amis Un grand merci pour votre dévouement et vos engagements pour les réalisations techniques de ces cultes de confinement : traductions, montage de vidéo,... Un grand merci aussi à toutes les sections, les diacres et les paroissiens pour les vidéos du culte,...

Communiqué de la Fpma Réunion : COVID-19

Le Mercredi 18 Mars 2020, le comité paroissial de la FPMA Réunion s’est réuni par confcall, afin de prendre des décisions urgentes et exceptionnelles en raison du contexte actuel marqué par l’épidémie de covid-19. Pour se conformer aux mesures restrictives applicables...
Share This
M