Header site2

Voeux de bonne année 2015 de la part du Président

"Koa Mangataka aminareo aho ry rahalahy mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona masina sitrak'Andriamanitra dia fanompoam-panahy mety ataonareo izany. Koa Aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao, fa miova amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny Sitrapon'Andriamanitra dia izay tsara sady ankasitrahany no tonga lahatra". Romana 12:1-12

Arahaba ry ilay nohasoavina Ny Tompo no momba anao.
Izany fiarahabana nataon'ny anjely izany no indramiko iarahabana ny Mpitandrina mianakavy, ny Birao, ny Komity, ny Sampana ary ny Kristiana tsy ankanavaka eto amin'ny Tafo Fpma La Réunion nahatratra ny taona vaovao 2015. Mirary antsika samy ho salama sy hahita Fifaliana indrindra Amin'izao taom-panompoana vaovao omeny antsika izao indray eto anivon’ny Fiangonana. Nampitombo ny finoana sy ny fifankatiavantsika ireo valim-bavaka maro sy ny fiarahantsika nientana tamin'iny taona lasa iny. Mankasitraka ry havana fa tena nahatsapa izahay fa tena mahafinaritra ny fiombonantsika amin'ireo antso nataonay. Koa maniry ny mbola hitohizan'ny hafanam-pontsika hatrany eo ambany fitarihan'ny Fanahy Masina mandritra ity taona vaovao ity. Ho tohizantsika hatrany ny fiainam-bavaka efa nananantsika rehetra. Koa mahefa be amin'ny Asan'ny Tompo Jesoa.
Ho An'Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.

Ny Filohan'ny tafo RASANDISAONA

"Je vous exhorte donc, frères par les compassions de Dieu, à offrir vos corps comme un sacrifice vivant,saint,agréable à Dieu ce qui sera de votre part un culte raisonnable. Ne vous conformez pas au monde présent,mais soyez transformés par le renouvellement de l'intelligence afin que vous discerniez quelle est la volonté de Dieu: ce qui est bon, agréable et parfait. Romains 12:1-2

Je te salue toi à qui une grâce à été faite, le Seigneur est avec toi. Je me permets de vous transmettre cette salutation de l'ange pour vous souhaiter à tous une bonne année 2015. Je vous souhaite à tous d'avoir une bonne santé et de vivre dans la joie pour servir ensemble notre Seigneur Jésus Christ.
Au Pasteur et à sa famille, aux membres du bureau et du comité, à toutes les sections et à tous les chrétiens de L'église Fpma de La Réunion, je vous souhaite une bonne et heureuse année. Du fond du coeur, Mes sincères remerciements à tous pour vos efforts respectifs pour la Communauté durant l'année 2014. Notre foi est devenu plus grande car nos prières ont été exhaussées, notre unité est renforcée. Je vous encourage tous à oeuvrer avec ferveur sous la conduite du Saint Esprit pour cette nouvelle année de service. On va continuer à pratiquer la vie de prière pour toutes les choses concernant notre paroisse.

A Dieu seul la gloire

Le Président RASANDISAONA

voeux