Header site2

prédication

Pasteur Josoa RAKOTONIRAINY

« Ny fanetren-tenan’i Kristy »

« Ny fanetren-tenan’i Kristy »

Fanomanam-panahy tamin’ny Ankatoky ny Fandraisana, Alahady 28 Septambra 2014

Anisan’ireo vakiteny telo tonta tamin’ity Alahady 28 Septambra 2014 ity, ny Filipiana 2:5-11.

1°) Tsy ny ho tonga Kristy no angatahina amintsika fa ny hanana ny sain’i Kristy, hanana ny “toe-tsain’i Kristy”, hoy ny Dikanteny Iombonana eto Madagasikara DIEM.

2°) “Izay na dia nanana ny endrik’Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra nofikirina mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra”…

Isika koa manana ny maha-isika antsika : fahaizana, talenta, voninahitra. Raha manetry tena isika dia tsy tia mampisehoseho izany maha-isika antsika izany. Fantatry ny olona ihany ny tena maha-isika antsika. Ary indrindra ny Tompo no tena mahafantatra antsika. Koa tsy mila mampiseho izany akory isika. Na  mody tsy mampiseho nefa mampiseho ankolaka ihany. Tsy laitra ny olona “vantard”, mandoka tena,   “poerapoera”. “Fa izay manan-dratena no haetry ary izay manetry tena no hasandratra” (Matio 23:12).

3°) “Nofoanany ny tenany”...

Ahoana moa izany hoe manafoana tena ? Ataony ho naman’ny tsy misy ny tenany. Ireto misy famantarana mampiseho ny olona  mahay manetry tena : a) Mahay miara-miasa tsara amin’ny namany, fa tsy mihatsaravelatsihy jereo Filipiana 2:3 b) Tsy mitana lolompo : tsy “rancunier”.

d) Manao izay ampanaovin’Andriamanitra aminy, ka tsy amin’ny vava na amin’ny teny fotsiny, fa amin’ny asa jereo ny fanoharana nataon’i Jesoa momba ireo zanaka mirahalahy nirahin-drainy hiasa ny tanimboalobony (Matio 21:28-32). Tsarovy fa ao amin’ny Baiboly ia miaraka foana ary mifampiantraika izay atao amin’Andriamanitra sy izay atao amin’ny namana, na ny rahalahy jereo Matio 25:42-46; IJaona 4:20.  Rick Warren , ilay evanjelistra amerikana fe ankehitriny dia nanao teny tahatahaka izao : “raha manao zavatra tsara amin’Andriamanitra ianao, sy amin’ny namanao,  ka mahay manetry tena eo anatrehany dia faly, manao “sourire” aminao Andriamanitra.e) Ny olona manetry tena eo anatrehan’Andriamanitra dia mivavaka. Tena mivavaka fa tsy mody mivavaka na miseho mivavaka. Ny teny tononina dia vavaka ka izarana sy ianarana. Fa ny mivavaka koa dia ny manao an’Andriamanitra ho “Ami intime” ; namana amborahana ny ao am-po, na ny zava-mahafaly na ny mampalahelo.

4°) “Nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana teo amin’ny hazo fijaliana”…

Ny mofo sy ny divay eo amin’ny Fanasan’ny Tompo no marika faratampony amin’ny fenetren-tenan’i Kristy. Isaky ny mandray izany aho dia mahazo hery ato anatiko, satria ho ahy  no nanetren’i Kristy ny tenany. Nefa miantso ahy koa izany hanana ny toe-tsain’i Kristy, eo ambanin’ny fahasoavany.

Pasteur Josoa Rakotonirainy

Alahady 28 septambra 2014

Toriteny Alahady 31 Aogositra 2014 - Pasteur Josoa Rakotonirainy

Toriteny Alahady 31 Aogositra 2014

Ny hiarovantsika tena amin’ny fandrik’i Satana, nahavoa an’i Petera

Ny Filazantsara torina amintsika anio dia ny hiarovantsika tena amin’ny fandrik’i Satana, nahavoa an’i Petera Apostoly.

Vao tamin’ny vakiteny tamin’ny heriny, ity Petera ity, no ilay nodokadokafan’ny Tompo Jesoa hoe : « Sambatra ianao, ry Simona Bar-Jaona, fa tsy nofo aman-dra no naneho anao izany  fa ny Raiko izay any an-danitra » (Matio 16 :17). Kanjo, amin’ny Filazantsara anio : «Mankanesa any ivohoko ianao, ry  Satana, fahatafintohinana amiko  ianao, satria tsy misaina izay an’Andriamanitra ianao fa izay an’ny olona »(Matio 16 :23). Lasa « devoly velona » ilay Petera naneho tamin’ny Tompo Jesoa hoe : « Ianao no Kristy, zanak’Andriamanitra velona ».

Ry havana, aoka hitandrina tsara isika fa mety ho voan’ny fandrik’i Satana koa isika. Ny Tompo Jesoa aza anie, mba efa nalain’ny devoly  fanahy koa e. Eny, araka ny Matio 4 :1-11 ; Lioka 4 :1-13 ; Marka 1 :12,13 dia notadiavin’ny devoly nofandrihana ny Tompo. Araka izany, dia nitady izay fandrika hamelezana an’i Jesoa ny devoly : hanoanana, fampiasana an’Andriamanitra  hanao zava-tsarotra sy manahirana, voninahitra mahafatifaty. 

Ry havana : Sady Andriamanitra i Jesoa,no tena olona  koa, saingy tsy nanota Izy, ka tsy nahavoa Azy ny fandriky ny devoly. I Jesoa no  ilay lazain’ny Epistily ho an’ny Hebreo hoe : « Fa isika tsy manana mpisoronabe  izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota » ( Hebreo 4 : 15) .

Martin Lotera, ilay raiamandrenintsika Protestanta, ara-pinoana, dia nilaza hoe : Tsy azonao hatao ny misakana ny voronkely tsy hanidina eo ambony lohanao. Fa azonao hatao ny misakana ny voronkely tsy hanao akany ao anaty volonao. Tahaka izany koa, tsy azonao sakanana ny devoly tsy haka fanahy anao, fa azonao hatao kosa ny tsy manaraka ny hevi-dratsiny.

Fa inona moa no fandriky ny devoly nahavoa an’i Petera ? Taorian’ny fanambaran’i Jesoa tamin’ny mpianany fa « tsy maintsy hiakatra any Jerosalema Izy ka hampijalian’ny loholona sy ny lohan’ny mpisorona, ary ny mpanora-dalàna dia hovonoina, ary hatsangana amin’ny andro fahatelo » (Matio 16 : 21).  Tamin’izay i Petera no nidrikina mafy ka niteny tamin’i Jesoa hoe : « Sanatria aminao izany, Tompoko ! Tsy ho aminao tokoa izany » (Matio 16 :22). Tsy nanaiky ny fanambaran’i Jesoa ny làlam-pijaliana sy fahafatesana hizorany. Izany hoe hisakana an’i Jesoa tsy hanatanteraka hatramin’ny farany, teo amin’ny Hazo fijaliana sy ny fitsanganany ho velona, ny herin’ny fitiavana, dia ny fitiavana hamelan’Andriamanitra heloka antsika. 

Ry havana,

Inona ny hiarovantsika tena tsy ho azon’ny fandrik’i  Satana  ?

-Valiny : Ny vavaka sy ny Tenin’Andriamanitra hatrany no fiarovantsika tena amin’izany. Tsarovy fa teo anatrehan’ny fandriky ny devoly dia ny Tenin’Andriamanitra hatrany no nasetrin’i Jesoa  ny fandriky ny devoly : « Fa voasoratra hoe…fa voasoratra hoe ». Dia voalaza fa  niala maina fa tsy nahavoa an’i Jesoa ny devoly, jereo Lioka 1 :13.

-Ao koa ny fepetra hanarahana ny Tompo Jesoa dia izay nolazainy hoe : «Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handa ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy » (Matio 16 :24).

Handa ny tena = hampangina ny hevitry ny tena, ny hambompon’olombelona, mety mampisaraka.

Ny hazo fajaliantsika no asain’ny Tompo zakaintsika  fa tsy ny Azy. Ny Azy  efa nozakainy. Ary indraindray anie io hazo fijaliantsika asain’ny Tompo zakaintsika io, ka maivana e ! Nitaraina tamin’ny Tompo, hono, ity mpanompony anankiray, nanao hoe : mavesatra amiko loatra, Tompo, ity hazo fijaliako ity, ka aoka hosoloina maivamaivana. Hay ve, hoy ny Tompo. Dia nasain’ny Tompo nifidy karazana hazo fijaliana maromaro ilay mpanompo. Tamin’ny farany dia niteny tamin’ny Tompo ilay mpanompo hoe : Ity, Tompo, no mety amiko ka aleo ho soloina an’ity ilay nentiko taloha teo. Mety aminao ve iny ? Mahagaga, hoy ny Tompo. Ilay anao teo ihany anie iny e !

…/…

Tena hataontsika ho mavesatra tsy ho zaka ny anjara hazo fijaliana entintsika, kanefa , ny Tompo ve dia hampitondra antsika izay tsy ho zakantsika ? Vakio  IKorintiana 10 :13.

Ry havana,

Amin’izao izaho notendren’ny Foibe FPMA ho Mpandrindra vonjimaika ny tafo La Réunion izao, mandra-pahavita ny fifidianana izay ho Mpitandrina matihanina, aoka hatambatra hatrany ny fiangonana roa tonta :  Le Port sy Saint Denis, mandra-pahavita ny fifidianana Mpitandrina matihanina. Mba hahatsiarovantsika fa iray ihany isika, no tena anton’izany. Zavatra efa fanaontsika hatramin’izay izany, isaky ny fotoan-dehibe, Krismasy, Paska sns,  fa tsy vao izao. Mety miteraka fahasahiranana izany, nefa tsy izany ve no hazo fijaliana maivana, asain’ny Tompo  zakaintsika ?  Mba hahatsapantsika fa lafo vidy ny firaisana, hiatrehantsika ny hoavy miaraka amin’ny Mpitandrina matihanina.

-Dia andao isika, isaky ny amin’ny sivy ora alina, na aiza na aiza, hanokana vavaka amin’ny Tompo, hahatonga io fifidianana Mpitandrina io, ho araka ny sitrapon’Andriamanitra ka hanendreny izay tiany, amin’ireo Mpitandrina roa lahy, efa nandalo taty amintsika.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra ao amin’ny Fiangonany. Amena.

Pasteur Josoa Rakotonirainy