Fanompoam-pivavahana Pentekosta 31 Mey 2020

Mai 28, 2020La vie de l'Église

Miarahaba antsika rehetra amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa ny komity ny tafo Fpma Réunion izay nivory maika anio Alarobia 27 Mey 2020.

Hoy ny Tenin’Andriamanitra :

« Fa ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady, Ary raha maro ny mpanolo-tsaina, dia misy famonjena. » Ohabolana 24/6

« aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro. » Hebreo 10/25

« Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo. » Lioka 12/7.

Noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia afaka hiverina hiaraka hiangona indray isika manomboka izao.

Koa asaina isika mpiangona rehetra eto amin’ny Tafo Fpma Réunion ho tonga hiangona ny Alahady 31 Mey 2020 manomboka amin’ny 9 ora sy 30 mn ao amin’ny Eglise Saint Yves Le Port.

Niantso sy nanamafy i Père Calvin izay tompon’andraikitra miahy mivantana izany toerana izany fa :

1) olona miisa 100 no afaka miditra ao amin’io toerana fiangonana io

2) raha misy « fianakaviana miray trano » no miara-mipetraka eo amin’ny seza lava iray (olona miisa 4 na 5) dia tsy maninona

3) mbola mihoatra an’io isa io ankoatran’izay ireo diakona mipetraka eny amin’ny alitara miaraka amin’ny Mpitandrina.

4) manomboka amin’ny zaza 11 ans no ho miakatra dia manao cache bouche avokoa vao mahazo miditra ao am-piangonana.

Ireto ary ireo toro-marika vitsivitsy ampitain’ny komity ny tafo koa mangataka hanao hamaky izany hatramin’ny farany :

A) Miditra efa manao cache bouche ery amin’ny « entrée principale » daholo isika rehetra, efa misy solution hydro alcoolique » eo dia mampiasa izany vao miditra. Ary rehefa mivoaka koa dia tokony hanao izany hatrany.

B) rehefa tafiditra dia mamonjy ny toerana efa voafaritra fa azo hipetrahana

C) hitondra ny VOKA-DEHIBE voalohany isika amin’io Alahady io, koa entanina isika hitondra ny valopiny misy ny Fanomezana avy any an-trano asio ny anaranao na tsia ary iny no aterinao mivantana eny amin’ny alitara mandritry ny rakitra.

Tsy mitondra zavatra « en nature atao lavanty » isika aloha fa fanomezana no atolory ho an’ny Tompo.

D) rehefa mirava avy miangona isika dia tsy mitangorona mihitsy manoloana ny toerana manodidina ny fiangonana

E) mangataka fiaraha-miasa amintsika ray aman-dreny mitondra zaza sy ankizy mba hanazava amin’izy ireo izay fepetra tokony arahina ary hanara-maso an’izy ireo raha sendra mivoaka ny trano fiangonana.

F) Manomboka amin’ny 8 ora maraina amin’io Alahady 31 Mey 2020 io ny komity ny tafo dia efa ho tonga hanao ny « désinfection » ny fiangonana mba hampirindra ny fandraisana antsika.

G) handray anareo am-pitsikitsikiana ao anaty cache bouche ny komity ny tafo satria zanak’Andriamanitra tafahoana indray isika.

H) Efa misy ireo « limitations des espaces en vue de respecter les barrières sanitaires » rehetra nataon’ny tompon’ny toerana ao anaty trano fiangonana koa manaraka sy manaja izany isika.

I) Misy fandaminana samihafa izay efa novolavolain’ny komity ny tafo eo am-pidirana ny toerana, toy izany koa mandritry ny fanompoam-pivavahana sy ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo ka ny fihetsika rehetra ataon’ny Mpitandrina sy ny diakona sy ho ataontsika dia efa natao izay ahazoantsika antoka fa voaro isika mba tsy hisalasala ho tonga hihaona amin’ny Tompo any am-piangonana ao am-piangonana.

J) Mbola hisy fanazavana ny  fandaminana hafa rehefa tonga eny an-toerana isika amin’ny Alahady 31 Mey 2020.

Alahady hahatsiarovana ny nidinan’ny Fanahy Masina sy nahaterahan’ny fiangonana ny Pentekosta koa manasa antsika ho tonga tsy am-pisalasalana fa fahateram-baovao ho antsika indray ity Pentekosta ity.

Ny komity ny tafo

Ny Mpitandrina Radoniaina TOVONJARAHARILIVA

Ny Filoha mpanampy Joelle RAHARINOSY

Salutations au nom du Seigneur Jésus et du Comité de l’Eglise de la Réunion,

La parole de Dieu nous dit : « Car tu feras la guerre avec prudence, Et le salut est dans le grand nombre des conseillers ». Proverbes 24/6.
« 
N’abandonnons pas notre assemblée, comme c’est la coutume de quelques-uns; mais exhortons-nous réciproquement, et cela d’autant plus que vous voyez s’approcher le jour ». Hebreux 10/25
 » Et même les cheveux de votre tête sont tous comptés. Ne craignez donc point: vous valez plus que beaucoup de passereaux ». Luc 12 : 7

Par la grâce de Dieu, nous pouvons retourner à l’église à partir de maintenant.
Ainsi, tous les paroissiens  de l’Eglise Fpma Réunion sont invités à assister au culte de la Pentecôte de ce dimanche 31 mai 2020 à partir de 9h30 à l’Eglise Saint Yves Le Port.


Le père Calvin, qui est directement responsable du site, a appelé et confirmé que :
1) 100 personnes peuvent entrer dans cet espace de l’église.
2) Des membres d’une même famille pourront s’asseoir sur un même banc (4 ou 5 personnes). Le nombre de places est encore plus élevé si l’on tient compte des places qui se trouvent à l’autel avec le pasteur.
3) Les enfants de 11 ans et plus devront tous avoir des cache-bouches pour entrer dans l’église.

Voici quelques conseils que le comité de l’église vous transmet et que nous vous demandons de lire attentivement jusqu’à la fin, s’il vous plaît :

A) A l’entrée principale (en face des escaliers), nous devrons tous porter un cache-bouche.
La solution hydro-alcoolique sera à votre disposition pour se laver les mains, à l’entrée.

B) Une fois entré (e),  nous vous invitons à rejoindre des places déjà délimitées auparavant.

C) Lors de ce dimanche, première fête des Grandes récoltes, nous apporterons à la fois nos offrandes pour les grandes récoltes (voka-dehibe) et les offrandes (raki-pisaorana) à DIEU.
Nous vous invitons pour cette fois, de ne pas apporter des offrandes en nature et d’apporter vos offrandes dans une enveloppe (apportée par vous-même) avec ou pas vos noms et de l’apporter directement devant l’autel.


D) A la sortie de l’église, nous vous invitons à ne pas vous regrouper autour de l’église.

E) Nous invitons les parents à veiller et à expliquer à leurs enfants les gestes barrières à suivre à l’intérieur et à l’extérieur de l’église.

F) Le comité de l’église sera présent dès 8h du matin le dimanche 31 mai 2020 pour désinfecter l’église pour un bon déroulement du culte.

G) Le comité de l’église, bien protégé par leur cache-bouche vous accueillera dans la joie, car nous sommes les enfants de Dieu à nouveau réunis.

H) Il y aura déjà des «limitations d’espace en vue de respecter les barrières sanitaires» qui ont été mises en place par les responsables de l’église, que nous nous devons de suivre et de respecter.

I) Des dispositions diverses ont été prises par le comité de l’Eglise, lors de l’entrée à l’église, durant le culte et la Sainte Cène. Ainsi tous les actes du pasteur, des diacres,  ainsi que les nôtres ont été pris en compte, pour s’assurer que nous sommes bien protégés et que nous n’hésitions pas à venir louer Dieu à l’église, ce dimanche.

J) De plus amples informations vous seront données à notre arrivée le dimanche 31 mai 2020.

C’est un dimanche pour commémorer la descente du Saint-Esprit et la naissance de l’église à la Pentecôte, nous invitant également à réaliser que cette Pentecôte est une nouvelle naissance pour nous.

Le Comité de l’église

Le Pasteur  Radoniaina TOVONJARAHARILIVA

La Vice-présidente Joëlle RAHARINOSY 

DERNIERS ARTICLES

Fifidianana Filoha sy Filoha mpanampy – 14 Jona 2020

Miarahaba antsika Mpandray ny Fanasan'ny Tompo eto amin'ny Fpma Réunion amin'ny anaran'ny Tompo ny komity ny tafo izay nivory maika anio Alarobia 27 Mey 2020. "Hoy i Jesoa : Tsy ianareo no nifidy Ahy fa Izaho no nifidy anareo" Jaona 15. 16 Araka ny antso teo amin'ny...

Remerciement Pastoral d’après confinement

" Chers amis Un grand merci pour votre dévouement et vos engagements pour les réalisations techniques de ces cultes de confinement : traductions, montage de vidéo,... Un grand merci aussi à toutes les sections, les diacres et les paroissiens pour les vidéos du culte,...

Communiqué de la Fpma Réunion : COVID-19

Le Mercredi 18 Mars 2020, le comité paroissial de la FPMA Réunion s’est réuni par confcall, afin de prendre des décisions urgentes et exceptionnelles en raison du contexte actuel marqué par l’épidémie de covid-19. Pour se conformer aux mesures restrictives applicables...
Share This
M